Pates au saucisse wrustel

1015

SAKAFO FENO : PATES AU WRUSTEL ET PHILADELPHIA (Wurstel le mot allemand pour la saucisse de Strasbourg)

 ZAVATRA ILAINA:

saosisy  wrustel 4
pates izay tiana
dibera na menaka oliva
ronono kely,
dipoavatra raha tiana
fromazy filadelfia (afaka soloina izay fromage misy na mascarpone na creme fraiche koa). 

 

FIKARARAKARANA AZY:

- ampangotrahana ny rano asiana sira dia arotsaka ny paty.
- mandram-piandry ny paty ho masaka dia atao ny saosy  ka tetehina ny saosisy dia endasina amin'ny dibera atao mena  tsara , arotsaka ao ny fromazy filadelfia, asiana sira, ( ho an'ny lehibe dia afaka asiana dipoavatra sy persila notetehana majinika dia vonona ny saosy)
- tsihifina ny paty rehefa masaka (“al dente”= tsy atao miboledaka)  ary araraka ao anaty lapoaly efa misy ilay saosy ary afangaro tsara mba hahazo saosy avokoa. 

 

Fanamarihana:

- azo asiana ronono ilay saosy raha somary maina loatra, tokony ho malama tsara tsy makina “cremes” mantsy, ary indraindray koa lasa be loatra ny pates ka tsy ampy ny saosy dia ampiana ronono kely aloha dia aroina hifangaro tsara vao arotsaka ny paty. azo asiana menaka oliva bebe raha tsy tia ronono ny lehibe na hamelana ny rano nandrahoana ny paty vao tatavanina, dia iny rano iny no handemana azy raha maina loatra

-  asiana fromazy voakiky  mazotoa

Catégorie: