Pate à choux

414

" PATE A CHOUX" 

ILAINA :
lafarina 150g
rano 125 ml
ronono 125 ml
menaka 200ml
atody 5

FIKARAKARANA :
- Ampangotrahana miaraka ny rano sy ronono ary menaka
- Esorina kely ambony afo, dia arotsaka ao ny lafarina, aroina tsara amin'ny sotro hazo
- Averina indray ambony afo ary aroina tsy mijanona mandra-pahamaina tsara ny paty (izany hoe tsy miraikitra amin'ny vilany fa lasa bola manodidina ny sotro hazo.
- Maka "bol" maina tsara dia afindra ao ny paty avy eo, avela hangatsiaka tsara
- Vakiana eo amboniny ny atody 1, dia aroina mafy tsara hifangaro, rehefa izay dia alefa indray ny atody faharoa ary atao toy izay hatrany mandra-pahatapitry ny atody...
- Afanaina ny mialoha ny lafaoro 180°C 10minitra
- Maka "poche à douille" dia atao ao ny paty, arotsaka mitsitokotoko ambony lasitra
- Atsofoka anaty lafaoro 180°C mandritry ny 25 - 30 minitra eo. Rehefa tonga eo amin'ny 10min nandrahoana azy dia sokafana kely fotsiny 2-3 min eo ny lafaoro mba hivoaka ny hafanana be ary hiova rivotra kely izay mampibotsina tsara ny pate à choux, avy eo tohizana akatona indray mandrapaha masaka

"Chantilly" nokapohana no natao tao anatiny.

Toro-hevitr'i Dodolyseheno‬ Ralimanantsoa : Mba andramo atao anaty "poche à douille" anie dia endasina amin'ny menaka mafana e... tena tsara koa an !

nahandron'i ‎Liva‬ Rabarisoa

Catégorie: 
Matériels: