Parmigiana

Portrait de Angie
1145

BARANJELY ANATY LAFAORO - PARMIGIANA DI MELANZANE – aubergines au four 8 (vegetarien)
Miarahaba ny mpanaraka ny Mamina,
sakafo tena specialité italiana indray no aroso, tena malaza indrindra amin'ny faritra
mety ho an’ireo tsy mihinana hena aloha fa mba mihinana legioma.

ZAVATRA ILAINA

Baranjely 1kg
Atody 4 na 6 izay tiana
Voatabia na saosy voatabia 500g
Basilika
tongolo gasy 1
Menaka fanendasana
Sira
Fromazy izay tiana (na mozzarella )

FIKARAKARANA AZY

- didiana manify manarana ny halavany ny baranjely, endasina amin'ny menaka mandifotra azy dia avela hitsika ambony papier cuisson na passoir dia atokana avela hangatsiaka
- manao saosy voatabia miaraka amin'ny tongolo gasy sy basilika, tsy ritina be fa atao misy ranondranony mihitsy , azo asiana basilika raha tiana , asiana sira dia atokana avela hangatsiaka
- tetehana efajoro madinika ny fromazy na koa kikisana
- kapohana ny atody dia asiana sira kely
- maka lasitra mandeha lafaoro dia alahatra ny nahandro : saosy voatabia kely ao ambany da asiana atody kely dia alahatran'ny baranjely lafika iray atao mitsivalana dia asiana voatabia indray , atody ary fromazy voakiky, averina asiana baranjely indray fa atao mitsangana indray ny filaharany , avy eo voatabia, atody fromazy , dia toy izany hatrany mandrapahalany ny zavatra rehetra. Faranana amin'ny atody eo ambony sy fromazy voakiky
- Ampidirina anaty lafaoro tsy mila atao mafana mialoha fa izy mangatsiaka iny , atao amin'ny hafanana ambony indrindra ka rehefa hita fa miloko tsara ny ambony dia jerena raha vita, eo amin'ny 20 minitra eo.

FANAMARIHANA

Ny tena “parmigiana” italiana dia tsy misy atody fa ity nasiana.
Avela mangatsiaka ny baranjely sy ny saosy voatabia vao ampiasaina fa manjary masaka ny atody

Azo atono ny baranjely raha te hihinana maivana kokoa
Azo soloina legioma hafa ny baranjely toy ny, ovy, korzety,…(Parmigiana di papate o  Parmigiana di zucchine)
Azo tehirizina ao anaty vata fampangatsiahana raha hohanina ao anaty fotoana fohy (2 andro.) Na atao anaty boaty efa voazarazara dia ato anaty “congelateur”

Mba zarao izay vitanao na eto amin'ny commentaire na any amin'ny facebìook pejy na vondrona Mamina

Mazotoa

Nahandro sy sarin'i Andry Mamina 18.06.2018
 

Catégorie: