Mousse de goyave

673

MOUSSE DE GOYAVE

ZAVATRA ILAINA: 
1) ho an'ny génoise atao fond, atody 6, lafarinina 150g, siramamy 150g. 
2) ho an'ny mousse, goavy 1,5kg , gélatine vovony 30g , crême liquide 1/4l, colorant mena, siramamy 150g.

FIKARAKARANA AZY: 

1) GENOISE:
sarahina ny tapotsin'atody sy ny tamenany. atao "en neige ferme" ny tapotsin'atody izany ho kapohana ho lasa fotsy tsaara ary alefa ao ny siramamy, tohizana kapohina ihany avy eo araraka ny tamenak'atody dia kapohina hifangaro tsara.vita izay araraka tsikelikely ny lafarinina efa voasivana ary afangaro moramora amin'ny fouet,atao anaty lasitra mirefy 41*31cm izay efa nasiana emballage ny fanambaniny. Araraka ny pâte ary ahiditra lafaoro. rehefa masaka ny génoise dia hesorina hiala amin'ny lasitra,avela mangatsiaka avy eo tapahina amin'ny cercle à pâtisserie 28cm.

2) MOUSSE: 
voasana ny goavy,totohina amin'ny "mixeur" ary tatavanina. Atao anaty casserole, asiana siramamy ary avela hangotraka.
Esorina ambony afo rehefa mangotraka ary asiana colorant sy gélatine efa nasiana rano mangatsiaka kely ary haroina mandrapahaleviny dia avela mangatsiaka.

kapohina ny crême liquide ho tonga chantilly ary afangaro amin'ny coulis de goyave misy gélatine sy colorant teo.Rehefa mifangaro tsara dia araraka eo ambonin'ilay génoise mbola anaty cercle â pâtisserie ary ampidirina réfrigérateur mandritra ny ora 2. vita izay, esorina hiala ny lasitra ary haingoina amin'ny goavy nomena endrika sy ravina solila ary chantilly. 

Mazotoa o 

Nahandron'i Hay Fy

 

Catégorie: