Mokary sy voanio

948

ODY AMBAVA FO na SAKAFO MARAINA : MOKARY na MOFOGASY
Miarahaba ampifaliana indray o 
Mokary na mofogasy ihany hoy aho fa tena gasy petaka be ny nanao azy sy ny fitaovana ary ny vokatra hihihi , vao voalohany ity fa ratsy bika fa tsara tsiro an

ZAVATRA ILAINA 
lafarina 250g, 
kobambary 250 g, 
siramamy 200g, 
atody 2,
lalovay 1 fonosana "levure boulanger"
voanio vovony 100g, 
menaka 3 sotro fihinanana ary
rano matimaty 250ml eo ho eo araraka tsikelikely . (azo ampiana rononom-boanio "lait de coco" )

FIKARAKARANA AZY:
Ny lalovay aloha alona amin'ny rano matimaty kely ho levona. Avy eo maka bol dia atao ao daholo ireo zavatra maina rehetra, lafarina, koba, vovoka voanio ary ny atody efa nokapohana , arotsaka koa ilay levure ary avy eo ny rano ambiny araraka tsikelikely dia nafangaro tsara ireo rehetra ireo mba tsy hivaingambaingana izay vao arotsaka ny voanio vovony sy ny siramamy ary rehefa manome pate malama tsara dia navela nilona nandritra ny ora 2 ka nosaromana lamba. 
Rehefa tapitra ny fotoana dia lasa misy toy ny "boule" kely be dia be ilay paty, afaka andrahoina amin'izay ka hosorana menaka isaky ny lavaka sy manodidina dia lasa zao. 
ny voalohany ny ahy aloha ratsy bika fa rehefa zatra ny tanana dia nety ihany 
nahavita teo amin'ny 30 teo aho fa tsy nisaiko, fa lany tsara aloha ilay tsy may hihihi

FIKARAKARANA NY FITAOVANA: 
tavy /moule vaovao 
sasana tsara aloha ary avy eo dia hosorana tany nolemana, zany hoe toy ny fotaka ny ivelany ilay handray ny afo, fa tanimanga no tena fanao azy fa aty aminay moa tsy misy ka dia tany no natao, ary avela no maina. tandrema tsy haloto ny ao anatiny.
Ity izany dia natoron'ireo mpanao vilany tany ambatolampy mihitsy mba tsy hampitsonika ny vodin'ny vilany na lasitra sns dia azo atao toy izao indrindra raha vaovao nefa azo atao foana koa raha mazoto satria mitana hafanana ilay tany ary tsy mandoro ny vody vilany sy tavy 
Fonosina lamba ny tahony fa manjary mamay be rehefa avy eo. 
Maka "pinceau" avy eo fa eto ny ahy fourchette no nasiana "essui tout " hakana ny menaka dia notazomiko tamin'ny elastika ady gasy e 
manomana bol na kopy asiana menaka dia lalorina menaka avokoa ny lasitra na tavy rehetra ny ao anatiny ny tapony manodidina ary ny tahony, iny dia mba tsy hahamainty be azy rehefa mahandro sady mba tsy hiraikitra
Misopirana no tena mety amin'ny fametrahana ny tavy amin'ny fatana gaz fa nandramako daholo mantsy hihihi 
Dia mazotoa daholo indray ary fa izay tsy manao ihany no tsy mahay e 
Mirary soa o

Catégorie: