Mofo voatavo

95

 Zavatra ilaina:

Voatavo didiny 2 na 3 amin'ilay 100ar (prix 2015)
Atody 1,
lafarina 300g
lavanila 1 càc (na "parfum" izay tiana)
siramamy 250g
tantely 2càs
levure" (ho an izay tia mampiasa)

Fikarakarana azy: 

Andrahoina atao vaventy tetika ny voatavo amin'ny rano tapaky ny kaopy kely fa mitera-drano be io avy eo,avela ho ritra tsara.
Rehefa mangatsiaka dia potserina tsara atao toy ny "purée".Tsihifina faran'izay azo atao ny ranony raha mbola misy. 
Arotsahy ao ny lafarina efa nifangaro tamin'ny levure sy siramamy, 
Kapohana avy eo ny atody ary afangaro ao koa ary farany ny tantely.

Afangaroina tsara izy rehetra dia raisina amin'ny sotro dia endasina amin'izay
Mazotoa homana daholo ary e! 

Nahandron'i Rasoa Narindra

Catégorie: