Mofo soja

Portrait de Angie
1073

Tsara izy ity na mamy na masira, ary azo atao rehefa avy maka ronono soja iny.

1. MOFO SOJA MASIRA 

ZAVATRA ILAINA 
faikana soja avy nakana ronono
Lafarina 2 sotro 
maïzena 2 sotro 
tongolo gasy sy tongolo be notetehina madinika 
kotomila sy izay tianao rehetra 
sira izay tiana ihany koa , 

FIKARAKARANA AZY 
Afangaro tsara ao anaty bol ny rehetra dia volavolaina araka izay bika tiana dia endasina @ menaka mafana , 
azo ampiarahina @ vary sosoa na vary maina dia ampina romazava , tsy adino ny lasary , 

 

2. MOFO SOJA MAMY 

ZAVATRA ILAINA 
faikana soja (1 kapoka no nakana ronono dia ny atsasany zany ) 
siramamy zay tiana
lafarina 2 sotro fihinanana 
poudre nounous 2 sotro fihinanana 
hanitra lavanila , 

FIKARAKARANA AZY 
natambatra anay bol dia nafangaro tsara ary novalavolaina araka izay endrika tiana dia nendasina @ menaka mafana,
tena natsiro ary tia daholo ny ankizy 

mazotoa daholo

Nahandro sy sarin'i Fanirizo Arimalala 19.11.2017

 

 

Ingrédients: 
Catégorie: