Mofo ramanonaka

337

 

recette ramanonaka :  samy hafa ireto nefa mifameno tsara.

  1.  avy amin'i Hniony Raz:

zavatra ilaina:

koba vary , rano, sira , siramamy, menaka

Fikarakarana azy: 
Ampangotrahana ny rano kely dia maka bol ary atao ao ny kobavary rarahana rano mangotraka dia arorona tsy mijanona , tsy atao mitsiranoka be tsy atao marihitra lotra de avy eo ampiana siramamy sy sira, atao mamay tsara ny moule osorana menaka vao arotsaka amin'ny sotro be paty.
Tsy nasiany temps de pause sy levure ny ahy eto @ sary

 

2.  Ity kosa dia avy amin'i Mbolatiana Ralantonirina

zavatra ilaina: 
Raha 1kg ny kôba dia ny lafarina tokony hoe 300g zany hoe 1/4 mahery kely, sira, siramamy, menaka

Fikarakarana azy 
mapangotraka rano dia iny rano mafana iny no andomana ilay koba vary , raha atoandro no hanao de maraina dia lomana ,dia rehefa hanao mofo mihitsy vao asina lafarina sy siramamy ary sira kely e ,tsy atao matsora be ilay pate satria ny lafarina atao mampitambatra azy fotsiny ,dia ilay izy lomana @ rano mafana îny tsy atao mitsiranoka fa rehefa manisy lafarina izay vao mampiasa rano mangatsika.

Mazotoa indray ary o

 

 

Catégorie: 
Matériels: