Mofo menakely

787

MOFO MENAKELY

ZAVATRA ILAINA
kobam-bary 1 boaty yaourt
lafarina “integrale” 2 boaty yaourt (azo soloina lafarina tsotra)
yaourt 1 boaty 
menaka 1 boaty yaourt
lalovay kely
siramamy mena 1 boaty yaourt
Sira 1 tsongo
menaka fanendasana
rano kely

FIKARAKARANA AZY:

Afangaro daholo lafarina sy lalovay aloha rehefa avy voasivana avy eo ny sira sy ny siramamy , manaraka dia arotsaka ny atody ny yaourt ny menaka dia afangaro tsara ny rehetra ary raha ilaina dia tapohana rano kely amin’izay mba hampifandray azy tsara.
Avela  mipetraka dia alona indray alina ny paty.
Endasina amin’ny menaka mandifotra azy ary atao bikana menakely, ny anay eto tena arabakiteny ny habeany satria tena noraisina tamin’ny sotro fihinana rehefa mandraka azy fa tsy sotro be “louche” toy ny mahazatra
Apetraka amin’ny taratasy na “sopalin” mba hitsika tsara dia hohanina mafana

Mazotoa ooo 

Catégorie: