Mofo mangahazo 3

1032

ODY AM-BAVA FO na GOUTER : MOFO MANGAHAZO

ZAVATRA ILAINA:

Mangahazo 1,5kg
Siramamy izay tiana
Menaka : 1/4l
Sakamalao : 5cm

FIKARAKARANA AZY:

Nandrahoina ilay mangahazo dia rahefa masaka dia nototoina niaraka tamin'ny siramamy sy sakamalao.
Rahefa malemy tsara dia volavolaina amin'izay endrika itiavanao azy.
Rahefa vita dia maka vilany fanendasana dia afanaina ny menaka. Tsy atao mahamay be fa rahefa mafana dia arotsaka.
Esorina rahefa mena fify. Apetraka ambony "sopalin" hitsika ny menaka.
Aroso mafana, ny ahy eto nohanina amin'ny tantely sy dobera ary kafe mahery.

FANAMARIHANA: 
azo asiana hanitra izay tiana: lavanila, voanio, ...
Mazotoa homana.

Nahandron'i Sahondra Raheliarisolo

Ingrédients: 
Catégorie: