Mofo hamburger

1014

MOFO HAMBURGER 

natao tamin'ny lafaoro gasy moa izany izy ity 

ZAVATRA ILAINA 

lafarina 250 g
siramamy  1 sotro kely
"levure boulangere" 1 sotro kely
dibera malemy 30 g
sira  kely
ronono 125 ml
atody 1
 

Ho an'ny sesika :

poti-kena sy salady
 

FIKARAKARANA :

- atambatra daholo ny fangaro rehetra voalaza etsy ambony! Avela 1ora hatramin'ny 2ora amin'ny toerana mangatsitsiaka na saramona lamba mandomando
- Atao boribory maka endrika "hamburger", avela hilon indray 45 minitra
- Asiana tapotsiny atao "dorure" ( Tsy voatery tamenany foana akory)

FAHANDRO AZY:
- lafaoro malagasy : vilany asiana fasika dia hafanaina amin'ny afo malefaka ao ambany ary avadika ny sarombilany dia asiana afo bebe kosa eo ambony . 15 minitra eo dia masaka fa miankina amin’ny habean’ny mofo “hamburger” io.
- Rehefa masaka dia zaraina 2 ny mofo dia asiana izay tiana eto moa dia  poti-kena sy salady  

Mazotoa o 

Nahandron'i Tokiniaina Ralambomanana

Catégorie: