Mofo bracelet

766

MOFO "BRACELET"  na ZEPPOLA AU COCO

 

Karazana mofomamy italiana, faritra atsimo izy ity, azo atao gouter na sakafo maraina 

 

ZAVATRA ILAINA :

voanio "coco" voakiky sy rano 1kopy

lafarina 1kopy

sira

menaka hanendasana

saosy tantely na siramamy.

 

FIKARAKARANA :

- Ampangotrahana ny rano dia nasiako voanio voakiky sy siramamy kely, avy eo notsihifina ka nesorina ilay faikana voanio fa ny ranony ihany no nampiasaina

- arotsaka ny lafarina sy sira kely dia aroina ka rehefa miendaka amin'ny vilany, dia atao eo ambonin' ny latabatra misy lafarina, kosehina hitambatra tsara.

- Silahana, atao miendrika "bracelet" maromaro dia endasina, tsihifina tsara

- rarahana siramamy na saosy tantely ( siramamy sy tantely mitovy fatra tapohana rano kely mba hitsonika eo ambonin' ny afo ho lasa fotsofotsy ny lokony ) mialohan' ny aroso.

 

Mazotoa hatrany o

 

Nahandroin'i Tiana Parlato - nampiharina sy navaozin'i Maheritiana Faraniaina Rasandiharisoa

 

Catégorie: