Mofo akondro mikarepoka

1123

Miarahaba ny mpanaraka ny Mamina 

Am-pifaliana hatrany no hizarana ireo nahandro atolotry ny Malagasy eran-tany 
Andramo ary fa hafa kely ity paty fanaovana mofo akondro ity izay mikarepoka ivelany ary malemy tsara ny anatiny

MOFO AKONDRO 

AKORA ILAINA 

-Famarana = Kaopy fisotroana dite = kd (1kd = 236ml = 1 cup)
-Akondro masaka 8 eo ho eo
-Lafarina 4kd
-Rano 2kd
-Lalovay fanaovana mofo 1 fonosana (toy ny taim-bibikely na hoe "levure boulangère"
-Lalovay simika 1 sotrokely (levure chimique)
-Menaka 1/2 kd
-Siramamy 1/2 kd
-Vovodronono 1/2 kd
-Menaka fanendasana mandifotra azy

FIKARAKARANA AZY: 

- afangaro ny lafarina 2kd sy ny lalovay simika 
- afangaro tsara ny rano matimaty 2kd, siramamy sy ny lalovaina mofo ary arotsaka anatin'ilay lafarina eo ambony
- afangaro tsara ary avela hilona 10mn, paty matsora no azo eto. Hita fa mitombo mandroatra ilay izy. 
- tapitra ny 10mn dia arotsaka ny lafarina 2kd ambiny, vovodronono ary menaka 1/2kd, afangaroy tsara fa hahazo rihitra matevina be toy ny amin'ny sary, avelao hilona 5mn, rehefa tapitra izay dia vonona ilay paty. 
- didina misompirana anaky 4 ny akondro 1 dia arotsaka anaty paty ary endasina amin'ny  menaka mafana mandifotra azy. 

 

FANAMARIHANA:

Ny siramamy dia azo atao araka izay tiana 
Azo ampiasaina amin'ny zavatra masira koa ity paty ity : ohatra mofo sakay ...

 
 Mazotoa homana tompoko 

Nahandro sy sarin'i Bonbon Mamibe - 05.03.2018 

 

Ingrédients: 
Catégorie: