Mini tartelettes aux oignons

Portrait de Angie
593

MINI TARTELETTES AUX OIGNONS"
 

ZAVATRA ILAINA

pâte feuilletée 2 (efa vonona)
tongolo vitsy 4 na 5
dibera kely na menaka
sira, dipoavatra
atody 2
"crème liquide" 250 ml

FIKARAKARANA:

- Tetehana manify ny tongolo dia endandasina somary masahana amin'ny dibera 
- velarina ny paty dia tapahana boribory amin'ny "emporte pièce" lehibe kokoa noho ny lavaka, apetraka ambony lasitra ary tsindronina tsirairay amin'ny "fourchette".
- androtsahana 1 sotrokely isan-davaka ilay fangaro teo (ny sasany amin'ireo nampiana jambon voatetika ny tapony)
- kapohana ny atody sy lakirema, sira , dipoavatra dia rakofana io ny "tartelette". Atsofoka anay lafaoro efa nafanaina mialoha, 200°C mandritry ny 15 minitra.

mazotoa o 

Nahandron'i Lah Randria