Mananasy manitra

1092

TSINDRIN-TSAKAFO NA DESSERT : MANANASY MANITRA - CREME A L'ANANAS

Miarahaba ny mpanaraka ny Mamina,

Raha toa ka mitady hevitra ny hatao tsindrin-tsakafo raha efa matavy be ny sakafo dia ity misy torohevitra : sady maivamaivana no mangatsiatsiaka no tsara.

ZAVATRA ILAINA

Mananasy 
tantely,
lavanila
kanelina
solila raha tiana
Biscuit raha tiana 

FIKARAKARANA AZY:

Mananasy voasana dia zaraina roa. Ny antsasany tetehina tsy madinika loatra fa amin'ny antonony. Ny antsasany kosa poteho, amin'ny mixer izy no tena mety tsara. Avy eo asio tantely, vanila sy cannelle. Afangaroy tsara. Alaivo amin'izay vera dia asio tapatapaka mananasy dia raraho an'ilay "purée". Ataovy eo amin'ny toerana mangatsiaka mandram-pihinanana azy. Afaka hohanina miaraka amin'ny biscuit mikarepoka (sablé ohatra). Raha manana solila dia asio raviny kely.

Tsotra, vetivety ny fanaovana azy, maivana ka hanampy tsara amin'ny fandevonan-kanina!

Mazotoa ô!

Nahandro sy sarin'i Joëlle Philippe - 23/12/17

Catégorie: