Macédoine sy thon

708

MACEDOINE sy THON 

Zavatra ilaina

ho an'olona 4 :
macédoine 2 kapoaka na legioma izay tiana atao efamira 
thon (amin'ny boaty salatsalany 1)
mayonnaise, vinaigrette
voatabia 3
atody masaka 3
vosary makirana 1
salady raviny vitsy
oliva mainty vitsy

Fikarakarana azy :
- masahana ny macédoine (légioma izay tiana atao tetika majinika na hoe en "dé"), tsy adinoina ny sira, dia asiana mayonnaise rehefa masaka
- afangaro amin'ny mayonnaise sy vinaigrette koa ny thon
- masahana amin'ny akorany ny atody dia zaraina 6 amin'ny halavany
- silahana 6 ny voatabia
- maka lovia, apetraka ny ravin-tsalady lafika, maka emporte pièce boribory dia alefa ao ny ampahefatry ny macédoine, lalorina tsara dia alefa eo amboniny ny thon efa voafangaro
- haingoana silaka voasary makirana sy oliva mainty
- alahatra toy ny amin'ny sary amin'ny sisiny kosa ny voatabia, silak'atody ary mayonnaise

Mazotoa o 

nahandron'i Dina Ramangatsihoarana

Catégorie: