Legioma mifangaro

711

FANOKAFAM - BAVONY : Legioma mifangaro

Zavatra ilaina

ho an'olona 6 :
Soflera 1 lehibebe 
harikaovera 1/4 kg
Voatabia 3 isa lehibebe
sosety 3 isa
Atody 3 hatao haingony, Atody 2 hatao mayonnaise
Tongolo 3
Mortadelle 100 g
crevette 3 na 4 isan' olona arakaraky ny habeny
vinaigrette (tsy voatery)

Fikarakarana azy :

- Silasilahana sy kiraina ny soflera dia alefa anaty ranon-tsira mangotraka, tsy avela ho masaka be, esorina
- atao anaty rano mangotraka nasiana sira toy izay koa ny harikaovera tsy atao masaka be.
- ampangotrahana aman-kodiny ny sosety, tsy atao masaka be, voasana dia tetehana lavalava ary asiana vinaigrette (raha tiana)
- tetehana boribory ny voatabia
- masahana amin'ny akorany ny atody 3, dia tetehana boribory avy eo
- manao mayonnaise amin'ny atody 2
- zaraina 4 ny mortadelle tsirairay
- masahana vetivety monja ny crevette (vao miova loko ho loranjy antitra dia vita)
- Alahatra toy ny amin'ny sary eo an-dovia ny rehetra, ka mayonnaise no atao afovoan'ny soflera. Ny harikaovera kosa eo an-dovia vao asiana vinaigrette kely (raha tiana).

Mazotoa o 
Nahandron'i Tix Mal

 

Catégorie: