Lasopy tsiasisa

Portrait de Angie
1133

SAKAFO FENO : LASOPY TSIASISA SY MOFO MIKAREPOKA - CREME LENTILLE -Crème lentille et pain grillée.

 

ZAVATRA ILAINA

Tsiasisa (Lentille) 400 g
karoty 3
tongolo be 3

sira

menaka 3 sotro na dibera. 
Mofo ambin' ny omaly voatetika madinika

 

FIKARAKARANA AZY :

 

Nandrahoana ho masaka miaraka ny tsiasisa, katroty ary ny tongolo be dia asiana sira sy menaka kely.

Rehefa masaka dia potserina ho lasa lakrema tsara na atao anaty robot na mixeur

Atao anaty lafaoro kely mba ho menamena na hoe "dorée" mba hikarepoka tsara.

Hafanaina sady asiana dobera 1 sotro vao loarana atao anaty vilia ny lakrema tsiasisa, asiana mofo mikareoka sy menaka oliva kely eo amboniny ary fromazy raha tiana.

 

Fanamarihana:

Azo andrahoina miaraka aminy koa ny vary na ny paty koa.

Mazotoa o 

Nahandro sy sarin'i Tiana Parlato

 

 

Catégorie: