Laisoa voasesika

369

Laisoa voasesika - chou farci 

Zavatra ilaina:
Laisoa 1, toto-kena 400g, kotomila, karoty, celeri, tongolo be, voatabia, sakamalaho, atody 1, sauce soya1 sotro, menaka, sira

Fikarakarana azy: 
nampangotrahina 10mn tao anaty rano mangotraka nasiana sira ny laisoa rehefa voadio (tsy tetehina a), rehefa izay dia avy dia atsoboka anaty rano mangatsiaka mba hampalemy azy. Esorina tsirairay ny raviny, ny majinika atokana.
Endasina ny zavamanitra voatetika majinika: tongolo be, celeri, sakamalaho ary ny karoty koa. 
Maka bol iray dia afangaro ao daholo ny toto-kena, kotomila, atody, sauce soja.
Raisina ny raviny dia asiana ilay totokena io atao sesika toy ny manaonem, dia fonosina tsara toy ny manorona tsihy ary fatorana rofia tsy hiboraka raha ilaina.
Alahatra anaty vilany efa misy ilay saosy natao voalohany sy asiana rano 1 vera dia tanehana amin'ny afo malefaka mandritra ny 1h 30

Mazotoa homana daholo
NB: azo asiana vary izy ity sy ny ambin'ny laisoa ao anaty farce ary azo andrahoina anaty lafaoro koa.

 

Catégorie: 
Matériels: