Kaofitiora kaki

Portrait de Angie
1080

KAOFITIORA KAKI

Zaraina am-pifaliana indray ny fanaovana “confiture kaki”

Sasana sy voasana ny kaki efa masaka tsara, lanjaina ny nofony
- Raha 1kg ny kaki, dia ahena kely 750g ny siramamy satria efa mamy be ny kaki ary azo asina lavanila ihany koa
- Atao anaty vilany ireo,
- avela mangotraka ary aroina matetika mba tsy hiraikitra amin'ny vody vilany.
- Rehefa hitanao fa marihitra ilay izy dia masaka izy izay.
- ary iny mbola mafana iny ny kaofitiora no atao anaty "bocal" saromana tsara dia ahohoka mandrapangatsiaka azy.
Azo ahosotra mofo atao sakafo maraina

FANAMARIHANA :

Raha tiana hotehirizina izy dia tsara kokoa raha :
-  asiana ranom-boasary makirana 1 na 2 hanolo ny "pectine" rehefa mahandro azy
- ary iny vao vita sy mbola mafana iny ny kaofitiora no atao anaty "bocal" saromana tsara dia alahatra ao anaty vilany misy rano mitovy hafanana amin'ny bocal, dia ampangotrahana.

- Esorina dia ahohoka ( ny vavan'ny "bocal" no atao ambany, tsy miraraka io rehefa hidina tsara) mandra-pangatsiakany tsara.
Maharitra be io raha toa ka tsy mbola nisokatra.

- Tsy manisy rano ianao raha hotehirizina fa mitera-drano iny rehefa tratran'ny siramamy. Afaka manisy rano raha ilay hohanina eo no ho eo

 

Nahandron’i Niry Rafi - 6.12.17

Fanamarihan’i Vero Randriam 

Ingrédients: 
Catégorie: