Gratin de pomme de terre

888

SAKAFO MAHALEO TENA: GRATIN DE POMME DE TERRE - PARMIGIANA DI PATATE 

Sakafo tsotra sady mora atao

ZAVATRA ILAINA

Ovy
ronono na koa bechamel 
sira sy dipoavatra raha tiana
“chapelure” na hoe poti-mofo
Jambon
Fromazy provola na izay tiana atao anelanelany
fromazy voakiky eto Parmesan

FIKARAKARANA AZY:

Voasana ny ovy dia tetehana boribory manify
Maka lasitra miditra anaty lafaoro
asiana bechamel na ronono kely dia alahatra ny ovy
avy eo asiana dipoavatra kely raha tiana ary rarahana bechamel na ronono kely indray
apetraka ny jambon ary avy eo ny fromazy provola
alahatra indray ny ovy dia averina ireo teo ambony :dipoavatra, bechamel na ronono, jambon, fromazy mandrapaha tapitra ny zavatra ilaina,
ovy ny farany dia saromana tanteraka bechamel ary rarahana poti-mofo sy fromazy parmesan,

FAHANDRO AZY :

Lafaoro vazaha :
hafanaina mialoha 180° vao ampidirina fa tsara raha saromana “papier alu” rehefa 15 minitra farany tokony ho masaka eo amin’ny 40- 50minitra eo  miankina amin’ny lafaoro sy ny habeany lasitra,

lafaoro gasy: izany hoe vilany asiana fasika dia hafanaina amin'ny afo malefaka ao ambany ary avadika ny sarombilany dia asiana afo bebe kosa eo ambony . Mila jerena matetika fa tsy hay ny hafanana.
 

Fanamarihana:

- azo tsy asiana jambon raha vegetarien
- azo atao ronono fotsiny raha tsy te hanao bechamel
- jereo ato ny bechamel

Mazotoa indray ary o 

Ingrédients: 
Catégorie: