Gateau carotte et banane au chocolat

1108

MOFOMAMY AKONDRO SY KAROTY AY SOKOLA
 

Miarahaba ny mpanaraka ny vohikala Mamina, mofomamy malefaka azo atao sakafo maraina sy gouter indray no zaraina. Azo atao amin'ny vilany koa izy ity raha tsy misy lafaoro. Ny fatra dia nanaovana lehibe fa azo zaraina roa raha atao kelikely 

ZAVATRA ILAINA

Atody 6
Siramamy mena 150g
lafarina 260g
“fecule de patate” 60g na maizena
Lalovay 3 sotro kely
Sira kely
menaka 100ml
Akondro 4
Karoty 250g
sokolà madinika

FIKARAKARANA AZY:

-hafanaina ny lafaoro 180 °C
-asiana dibera na lalorina menaka ary fafazana lafarina kely ny lasitra
- kapohana miaraka ny atody sy siramamy ho fotsy tsara
- atambatra ny lafarina, lalovay, “fecule de pomme de terre”na maizena, voasivana dia arotsaka koa
- manaraka ny menaka izay tiana na oliva na menaka tsotra
- Arotsaka ny akondro voapotsitra sy karoty voakiky madinika
- Afangaro tsara dia arotsaka ao anaty lasitra 
- farany araraka ny sokolà voapotika (azo soloina voaloboka maina na “noisette” voatoto)
- Ampidirina anaty lafaoro efa mafana mandritry ny 40-45 minitra, tsatohana antsy ka rehefa maina tsara ny antsy dia masaka
 

Fanamarihana:
- afaka asiana taratasy fampiasa ao an-dakozia ny lasitra na "papier cuisson" somary lemana kely dia fihazana mba ho mora velarna sy maka ny bika ny lasitra. 
- lafaoro ady gasy: atao ao anaty vilany ny taratasy "papier cuisson" dia araraka ny paty atao kely afo ao ambany avadika ny takotra atao misy misy afo kosa eo ambony takotra. jerena rehefa afaka 25 minitra eo miankina amin'ny afo mantsy ity 
- araho ny sary 

Mazotoa indray

Nahandro sy sarin'i Andry Mamina 20.01.18

Ingrédients: 
Catégorie: