Gateau aux bananes

926

"GATEAU AUX BANANES" - MOFOMAMY AKONDRO

ZAVATRA ILAINA:

atody 4
yaourt 1
siramamy 160g
lavanila tahony 1
menaka 1/2 vera (120ml)
lafarina 250g
lalovay simika 1fonosana 15g ny ahy eto (azo ahena 1/2)
sira 2 tsongo
akondro 4 lehibe (2 ao anatiny 2 hanaingoana)

FIKARAKARANA AZY:

- kapohana ny siramamy sy atody ary kikin-davanila mandra-pahalevony sy mandroatra fotsy
- arotsaka tsikelikely ny menaka (en filet) sady kapohana ihany
- afafifafy tsikelikely ny lafarina efa nasiana lalovay sy sira ary aroina mora amin'ny "spatule"
- arotsaka farany ny yaourt sy ny akondro 2 voatetika efamira madinika ary aroina mora ihany koa
- alefa anaty lasitra, haingoana akondro notetehana manify ary nalahatra

- Atsofoka anaty lafaoro efa nafanaina mialoha 180°C mandritry ny 45minitra. Tsatohana antsy ka rehefa tsy misy manaraka dia vita. 10minitra tsy hahamasahany dia rarahana siramamy ny tapony mba hivolom-bolamena.

- Avela hangatsiaka dia esorina anaty lasitra

Afaka ovaovaina ny voankazo.

Mazotoa o!

Nahandron'i Vero Randriam

 

Catégorie: