Gateau au chocolat

902

" GATEAU AU CHOCOLAT à la fleur de sel d'Ifaty "

ZAVATRA ILAINA:

dibera malemy (en pommade) 200g
siramamy mena (sucre roux) 140g
sucre vanillé 1fonosana (azo soloina lavanila)
lavanila tahony 1
atody 4
lafarina voatantavana 170g
lalovay simika 1/2 fonosana (5,5g)
cacao vovony 40g
Fleur de sel (Ifaty na Guérande) 1tsongo

caramel beurre salé (efa mitokana ny recette)

FIKARAKARANA AZY:

- Kapohana miaraka ny siramamy sy dibera mandra-pahazo fangaro toy ny lakirema
- Arotsaka tsirairay ao ny atody, kapohana tsara isaky ny atody iray voarotsaka
- Arotsaka mora ny lafarina, ny lalovay, ny cacao ary farany ny fleur de sel, aroina mora (incorporez)

- Afanaina ny lafaoro 180°C
- Maka lasitra boribory 19sm ny savaivony, hosorana dibera na menaka kely dia fafazana lafarina.

- Araraka ny antsasaky ny paty, asiana amin'ilay "caramel beurre salé" ary rakofana ny ambin'ny paty.
- Andrahoina mandritry ny 30 na 35 minitra anaty lafaoro 180°C (chaleur tournante ny ahy)

- Avela hangatsiatsiaka dia araradraraka (en filet) eo amboniny indray ny caramel beurre salé.

Mazotoa o !

 - nahandro sy sarin'i Lova Petit Rama (Graine de faim kely)

 

Catégorie: