Galettes

268

"GALETTE BRETONNE" 

Zavatra ilaina : 

lafarina 250g
lalovay simika 1/2 fonosana
siramamy 150g
dibera malemy 125g 
atody 1 + tamavony 1
tamavony 1 (hanomezana lokom-bolamena azy)

FIKARAKARANA :
- afangaro ny lafarina sy lalovay simika ary ny siramamy
- ampiana dibera efa malemilemy (en pommade), afangaroy amin'ny loharatsana
- ampiana atody 1 + tamavony 1, afangaroy indray
- mahazo bolan-koba (boule de farine) isika, fonosina "papier film" dia atao anaty vata fampangatsiahana mandritry ny 30minitra.

- Fisahana hahazo tevina 2sm eo avy eo. Alaina ny kapoaka, na vera na ireny fitoeran-kofehy "tubino" efa lany ireny dia omena bika amin'iny ny paty.
- Hosorana menaka kely na dibera ny lasitra (na koa "papier sulfurisé") dia apetraka eo, atao somary mielanelana ireo paty
- hosorana tamavon'atody efa voakapoka kely eo amboniny tsirairay
- afaka manisy sary amin'ny alalan'ny fandragotana amin'ny antsy na sotrorovitra ianao, dia atsofoka lafaoro efa nafanaina mialoha 180°C mandritry ny 15 minitra.

Fanamarihana : raha tsy manana "papier film" dia atao anaty "bol" fotsiny, saromana lamba, dia atao amin'ny toerana mangatsiatsiaka raha tsy misy vata fampangatsiahana.

nahandron'i ‪‎Andriniyoly‬ Randria

Catégorie: 
Matériels: