Foccacia - mofo pizza

338

Foccacia na pizza - mofo pizza 

Zavatra ilaina :
- Lafarina 470g
- Rano 233g
- Ronono 115g
- Siramamy 16g ;
- sira12g ;
- levure boulangère 5g
- Menaka 45g.

Fikarakarana azy :
Mitovy amin'ny fanaovana pate de pizza ihany.Izay efa hitako nizarain'ny Andry Rungi tato fa ny maha samihafa azy kosa le ronono kely.

-hafanaina aloha ny rano kely (na ampangotrahana)
- maka bol dia atao ao ny lafafarina sy ny lévure ary ny sira , dia afangaro tsara
- araraka tsikelikely ao ny rano mafana, dia ajanona refa mitambatra ilay lafarina, raha lany ny rano dia ronono no hanohizana azy 
- araraka eoambonin'ilay pates efa natambatra teo ny menaka
- atao boribory ny pate (normalement tokony tsisy manaraka ny tanana mihintsy)
- saromana lamba lena ilay bol misy ny pate dia avela mipetraka kely eto ny temps de pause ny ahy 1h à 1.30 fa Max 2h.
Rehefa mitombo tsara dia hosorana menaka tsara ny lasitra dia atao be be menaka koa ny paty rehefa voavelatra tsara ;ny ahy io romarin sy votabia fotsiny fa mety tongolo ;oliva...sns.
Ampidirina four efa nohafanaina mialoha 15min 
200° pour 20 min

Mazoto Daholo eee...

de Sidonie Totou

Matériels: