Flan

364

Flan misy gateau ambany

Zavatra ilaina.
anaovana ny gâteau ambany:
Atody1, siramamy 1 pot yaourt, menaka 5 cl, rano 1 pot yaourt latsaka kely, lafarina 375g, lalovay simika antsasaky ny fonony (lévure),

ny crème ambony: ronono poudre instantané 125g (promex tsara), poudre crème pâtissière nounous 75g, rano mafana 1l.

Fikarakarana azy:
atao anaty bol ny atody siramamy menaka kapoina vetivety alefa ny rano aroina kely.
Alefa ny lafarina sy lalovay afangaro mora atao boule ampiana lafarina kely raha miraikitra amin'ny tanana,
atao anaty lasitra efa nasiana dibera. Tsindromina "fourchette" ny faritra rehetra.
Alaina ireo zavatra ilaina anaovana flan dia atao anaty vilany ary ataingina amin'ny afo malefaka dia haroina foana tsy hiraikitra,
esorina rehefa marihitra dia araraka eo amboni'ilay pâte,
ampidirina lafaoro ka vita izy rehefa hita doré ny sisin'ny pâte sady somary misy mibontsina ny crème .

azo tehirizina anaty frigo rehetra mangatsika na congélateur
mazotoa o

de Hanitra Andrianaivoson

 

Catégorie: 
Matériels: