Feuille de vigne - Dolmas

314

Feuille de vigne - Dolmas

Zavatra ilaina:

- ravina voaloboka (ilay somary tanoranora) izay tiana 
- toto-kena 1/4kg
- vary fotsy ilay botabota kely ireny 1/2 kapoka 
-tongolo be 1
-sira 
- menaka olive
-dipoavatra na 7épices 

Fikarakarana azy: 

Somary lomana rano matimaty ny ravina voaloboka 10mn (mba halemy mora ahodina)
Mandritra izay , kikisana ny tongolo be , afangaro ao ny vary , sira, menaka olive, vary (efa voasasa ary nalona 5mn tanaty rano mafana)
Rehefa voafangaro tsara ireo rehetra ireo dia alaina tsirairay ny ravina voaloboka dia maka kely tamin'ilay fangaro teo aloha ka ahodikodina toy ny forme rouleau!
Fihazina tsara mba hifintina ilay feuille de vigne en rouleau mba tsy hiboraka rehefa mahandro azy ary tsindrina vilia eo amboniny mba tsy hampiakarin'ny rano rehefa andahoina .
Asina jus de citron 1/2 kely rehefa masaka tsara 45mn eo ny cuisson nefa mila jerijerena matetika ihany 

Azo atao ravina laisoa koa tena tsara be dia courgette miamm be koa

Merci dia mazoto

de Suzie Flower  et de Vony Miarantsoa

Catégorie: 
Matériels: