Crepe salé au bresaola

1120

Miarahaba ny mpanaraka ny Mamina 
 

CREPE SALE' : SAKAFO MORA ATAO

ZAVATRA ILAINA : 

  • ho an'ny crèpe :

Atody 3 
Lafarinina 250g
Ronono 500ml
dibera natsonika 25g (demi sel)
Sira 1 tsongo

  • ho an'ny sesika : 

"bresaola":karazana charcuterie italiana azo amin'ny nofon-kena omby manta nohamainina. (azo soloina izay misy : jambon, salami, mortadelle...)
Noix (azo sooina mahabibo na voanjo na izay tiana hikarepoka)
Salady maintso izay misy 
Fromazy parmesan

FIKARAKARANA AZY:

- kapohana ny atody sy ny sira kely ary ny lafarina kosa no alefa tsikelikely amin'izay tsy mitambaingana,
- arotsaka tsikelikely ny ronono ary kapohana hatrany ny paty mba halefaka
- arotsaka ny dibera natsonika ary tohizana kapohina hifangaro tsara avokoa avy eo apetraka amin’ny toerana mangatsiatsiaka eo ora roa eo(2 heures) 
- Rehefa izay dia hosorana dobera ny lapoaly na menaka kely dia arotsaka amin'izay ny crepe, alaina amin'ny sotro be jobo na hoe "louche" atao eo amin'ny 1 minitra eo ho eo ny ambadika sy ambadika dia vita dia avela hangatsiaka.
- velarina ny crepe dia alahatra ny "bresaola", rarahana salade efa voasasa madio , ampiana noix voapotipotika fa tsy voatoto akory . farany ny fromazy dia ahorona toy ny tsihy ary zaraina roa.

Mazotoa

Fampiharan'i Andry Rung ny recette natolotr'i Graine de faim kely novaina araka ny zavanisy ny tao anatiny 16.02.18

Ingrédients: 
Catégorie: