Crepe polenta

Portrait de Angie
1097

SAKAFO MARAINA- NA ODY AM-BAVA FO: CREPE DE MAIS /POLENTA – CREPE LAFARINA KATSAKA

Fotoanan’ny katsaka izao ka zaraina am-pifaliana hatrany

 

ZAVATRA ILAINA

Ronono 200ml
atody 2

Sira 1 tsongo
lafarina katsaka 130g

 

FIKARAKARANA AZY
- Kapohana ny atody dia arotsaka ny lafarina katsaka sy sira izay vao arotsaka tsikelikely ny ronono ka rehefa hita fa efa mifandray tsara dia ajanona tsy atao mandranoka be no tsy atao marihitra be loatra. (Miankina amin’ny habean’ny atody io moa )
- saromana dia avela hipetraka ora 1 amin’ny toerana mangatsiatsiaka na anaty vata fampangatsiahana raha misy.
- rehefa izay dia afangaro tsara indray ary afaka atomboka andrahoina
- hafanaina tsara ny lapoaly tsy miraikitra ka ny voalohany ihany no lalorina menaka kely na dibera kely raha tiana. Maka sotro be dia araraka ao anaty lapoaly ny crepe ary ahetsika ny lapoaly mba hiparitaka tsara izany. Avela ho maina tsara dia avadika indray dia vita.
- Azo hosorana izay sesika tiana

mamy:  kaonfitiora, sokolà, voankazo voatetika sy chantilly, …

masira: jambon, fromazy, legioma efa masaka, na koa atao anaty lafaoro …

 

Mazotoa o

 

Catégorie: