Clafoutis

Portrait de Angie
741

"CLAFOUTIS"

Io ary ilay izy:
Mofo mamy misy cerises.
Clafoutis no anarany; 
Tsy dia lafo raha ny sarany.

Cerises 600 grama
Lafarina 100 grama
Dibera iray ampahefany
Ary koa ronono fahefany.

Efatra sotro lehibe 
Ny siramamy fa tsy be.
Ary sira iray mitsongo
Sy atody 4 mba hitombo.

Ny lafaoro hafanao
Ary ny rehetra karakarao
Lovia jobo ampiasaina
Ao ireto no volaina:

Sira, siramamy, ronono, lafarina
Ny dibera natsonika ao koa ampidinina
Rehefa mangatsiaka fa tsy mamay,
Ao koa ny atody alefa tsirairay!

Rehefa mifangaro tsara daholo
Dia araraho izy manontolo
Anaty "moule"voahosotra dibera,
Sy ireo "cerises" efa voatsikera.

Dia masao anaty lafaoro 20 minitra,
Dia ho hitanao fa na ireo zaza maditra,
Mody hanao hendry mba hahazo anjara,
Anao indray ary izao! Malakia f'aza tara!

Raha toa tsy misy ny "cerises"
Aza tonga dia kirizy!
Ataovy izay voankazo misy
Dia omeo anarana na tsy"clafoutis" ;)

Tononkalo sy nahandron'i Mamiarisoa Lalao RALAITSIROFO
Anio 25/07/2016

Catégorie: