Canapé 2

944

TSAKITSAKY NA GOUTER: CANAPE'

Fandraisasam- bahiny  mba miala kely amin’ny mahazatra indray ireto ary ampiarahina amin’ny zava-pisotro
Mora atao araka izay misy ao an-trano sy eo an-toerana ihany.

ZAVATRA ILAINA: 
mofo dipaina “baguette rondelle”
dibera 
Saumon fumee
voatabia (majinika “cerises”)
tongolo be alona kely amin’ny vinaingitra 
 “Caviar” mena na mainty na "gris" (atodin-trondro)
“Cornichon” nilona vinaingitra
mayonnaise, 
crevette efa masaka
legioma efa masaka izay tiana,
charcuterie voatetika 
katsaka amin’ny boaty 
hanitra izay tiana: kotomila, persila, basilika,

FIKARAKARANA AZY 
mofo dipaina didina boribory dia
hosarana dibera na mayonaise dia asiana ireo fangaro tiana samy hafa: 
- dibera sy caviar mainty na mena 
- dibera sy saumon fumé na koa mayonaise sy saumon araka izay tiana
- thon sy “mais doux” ary mayonaise
- cornichon sy mayonaise 
- voatabia sy tongolo nilona 
-mayonaise sy crevette
- dibera sy charcuterie 
Ary samy asiana hanitra izay tiana: kotomila, persila, basilika,

Fanamarihana: 
rehefa mividy caviar dia tsara raha ilay anaty "bocal" no vidiana dia hita tsara ny ao anatiny, avoaka aloha avy ao anaty vata fampangatsiahana no tsara fa tsy mangatsiaka loatra.

Mazotoa o 

nahandron’i Tiana Parlato 

Catégorie: