Cake voatavo

Portrait de Angie
1132

MOFOMAMY VOATAVO - CAKE A LA CITROUILLE

ZAVATRA ILAINA:

voatavo masaka 500g ,
Lafarina 500g ,
siramamy 250g ,
atody 2 ,
lalovay simika (levure chimique ) 2sotrokely ,
menaka 4 sotro fihinanana ,
hanitra izay tiana

FIKARAKARANA AZY

Potsehina ny voatavo efa masaka dia arotsaka ny siramamy ary afangaro tsara ,

Arotsaka ny atody sy ny menaka dia afangaro hatrany,

ary arotsaka farany ny lafarina efa nafangaro amin'ny lalovay ary voasivana tsara.

FAHANDRO AZY:

- Four vazaha:   hafanaina mialoha ny lafaoro  ary andrahoina mandritra ny 45 minitra amin'ny hafanana 180° ny cake
- Four gasy : izany hoe vilany asiana fasika dia hafanaina amin'ny afo malefaka ao ambany ary avadika ny sarombilany dia asiana afo bebe kosa eo ambony . Jerijerena fa miovaova ny fotoana hahamasahany.

Sary sy nahandron'i Fanirizo Arimalala 25/04/17

Ingrédients: 
Catégorie: