Cake ravitoto

Portrait de Angie
1138

RECETTE CAKE RAVITOTO (Mofomamy)

Fomba hafa entina mahandro ny ravitoto indray ity mamy ity koa mazotoa manandrana ary aza adino mizara izany na eto amin'ny commentaire na koa amin'ny vondrona na pejy Facebook 

ZAVATRA ILAINA:
Atody 2
Siramamy 1/3 kapoaka
Menaka 6 sotro
Lafarina 1 kapoaka
lalovay 1 sotro
Ravitoto ½ kapoaka
Ronono 4 sotro

FIKARAKARANA AZY 
- Kapoana ny atody sy siramamy
- Arotsaka ny lafarina sy lalovay dia afangaro tsara
- Arotsaka ny ravitoto sy ny ronono dia afangaro tsara foana
- Atao anaty lasitra efa nolalorina dibera sy lafarina

FAHANDRO AZY:
- azo.atao lafaoro vazaha toy ny cake rehetra : hafanaina mialoha ny lafaoro ary andrahoina mandritra ny 45 minitra amin'ny hafanana 180° ny cake
- lafaoro gasy : izany hoe vilany asiana kopy na kapoaka ao anaty vilany izay vao apetraka eo ny lasitra dia asiana afo malefaka ao ambany ary avadika ny sarombilany dia asiana afo bebe kosa eo ambony . Jerijerena fa miovaova ny fotoana hahamasahany.

Nahandron'i JICA Madagascar (volontaire japonaise), fampiharan'i Fanirizo Arimalala 27.04.18

Mazotoa o 
 

 

Catégorie: