Cake aux lentilles

Portrait de Angie
1137

CAKE AUX LENTILLES- (MASIRA)  - (végetarien)

Miarahaba ny mpanaraka ny Mamina. 

Mba miova kely amin'ny fahandro mahazatra ny lentilles indray ity, saingy tena tsara ka araky ny fiteny hoe izay manao ihany no mahay sy mihinana ny tsara dia manasa ireo izay mba manao hizara izay vita na eo amin'ny commentaire na amin'ny vondrona na pejy facebook ihany koa. 

ZAVATRA ILAINA
Lentilles 300 g
karoty 1
tongolo be 1
celeri 1
hanitra : romarin, menthe, laurier ecc
sira
menaka oliva 20ml 
bechamel: 
dibera 30g
lafarina 30g (azo atao 15g fa 15 g lafarina lentille ihany) 
ronono ¼ litatra
parmesan voakiky 30g na izay fromazy misy 
atody 2 
sira sy dipoavatra 

FIKARAKARANA AZY :

- Afaka andrahoana ho masaka miaraka ny lentilles, karoty, celeri ary ny tongolo be sy hanitra izay tiana tonga dia atao dibodrano be (ity somary maivana)
Na koa endasina aloha ny karoty , celeri ary tongolo be voatetika mba hahazo tsiro vao arotsaka ny lentilles dia tapohana rano mangotraka nasiana ireo hanitra ary avela ho masaka.
- Asiana sira rehefa misasaka ny fotoana andrahoana azy. 

Mandritra izay dia manao bechamel: 
- alefa anaty "casserole" ny dibera, avela mitsonika tsara, fa tsy mandrôatra, arotsaka ny lafarina, haroina tsara ifangaro,
- avy hatrany dia alefa ny ronono, haroina tsara koa, mba tsy hisy itambongana, ary asiana sira sy dipoavatra,
- vita rehefa hita ny rihitra tiana, rehefa vita dia alana ambony afo amin'izay.
 
- izay vao asiana fromazy sy atody voakapoka ary ny lentilles efa masaka sy tsy misy ranony. 
- Afangaro tsara dia arotsaka ao anaty lasitra efa nasiana dibera na menaka sy lafarina kely. 

FAHANDRO AZY:
- hafanaina mialoha ny lafaoro ary andrahoina mandritra ny 45 minitra amin'ny hafanana 180° ny cake rehefa tsatohana antsy ka tsy misy lena manaraika intsony dia vita 
- lafaoro gasy: avadika ny sarombilany dia asiana afo ambony ambany 

FANAMARIHANA
- azo soloina tsiasisa ny lentilles raha tsy misy 
- ny hanitra dia azo ovaina izay tiana kotomila, persila, romarin ... 
- azo asiana "bacon" na jambon manodidina ny lasitra hamonosana izay vao araraka ny lentilles dia fonosina indray eo ambony
- Azo ampiana legioma izay tiana 
- azo soloina saosy voatabia ny bechamel
- raha te hanao bechamel vegetale dia izao no atao :
¼ ronono soja
kobam-bary 25g (farine de riz)
menaka 25ml (huile de riz no tena tsara raha misy )
sira kely 
Afangaro mangatsiaka ny lafarina sy menaka ary ny sira, arotsaka tsikelikely sady afangaro foana ny ronono soja nafanaina fa tsy nampangotrahana. Izay vao atao ambony afo ambany ary afangaro mora foana mandrapaha tonga ny rihatra ilaina.

Nahandron'i Andry Mamina- sary fampiharan'i Fanirizo Arimalala 21-05- 2018

Ingrédients: 
Catégorie: