Brioche

Portrait de Angie
1162

Salama maraina ny mpanaraka ny Ma.mi.na!

 

BRIOCHES : resety natambatra no zaraina am-pifaliana

 

ZAVATRA ILAINA :
 

Lafarina 1/2kg.

siramamy 2 sotro fihinana.

menaka 100 ml

Sira 1 sotrokely

 

FIKARAKARANA AZY
 

Atao anaty vilia jobo ny lafarina da asiana lavaka eo afovoany ary alefa ao ny fangaro rehetra.

Volavolaina 15 minitra io ary avela hitombo amin'ny toerana mafana 30 minitra eo. (tsy akaiky vava rivotra ohatra varavarakely na varavara)

Omena bika izay tiana.

 

FAHANDRO AZY:
 

ampidirina anaty lafaoro efa nafanaina mialoha

hafanana 180°C mandritra ny 25-30 minitra eo , miankina amin'ny lafaoro 

 

FANAMARIHANA

Tsy nampiasa atody eto

Nasiana chocolat kely teto

 

Mazotoa o

Miam miam

 

Nahandron'i Rinnah Maharmbola nozarainy tao amin'ny pejy Ma.Mi.Na facebook ka izao vao afaka nozaraina tato moa.

 

Catégorie: