Bavarois yaourt fraise

384

BAVAROIS YAOURT FRAISE 

ZAVATRA ILAINA :
"yaourt nature" 300g (2 pots )
ronono 300 ml
"gelatine" 30g
ranom - boasary makirana 1sotro lehibe
Siramamy ( izay fatrany tianao )
"Cacao" 1 sotro lehibe

Ho an'ny " frezy matevina ":
frezy voapotika 1 kaopy
"gelatine" 5g
rano 50 ml
Siramamy (izay fatrany tianao)
Frezy hatao haingony (tsy voatery)

FIKARAKARANA :
- Avoaka mialoha avy ao anaty vata fampangatsiahana ny "yaourt" dia apetraka amin'ny toerana mangatsiatsiaka.
- Afangaro ny ronono sy ny "gelatine" dia alona 10minitra. Avy eo, ataingina ambony afo malefaka aroroina tsy ankijanona mandra-pahalevon'ny "gelatine" tanteraka.
- Kapohana ny "yaourt", arotsaka ny siramamy, ny ranom-boasary makirana, aroroana tsara amin'ny "fouet"
- Arotsaka ao ny fangaro ronono sy "gelatine" tetsy ambony, kapohana tsara mandra-pahazo fangaro tokana (homogène = toka-pangaro)

- Maka 1/4 amin'io fangaro io dia asiana "cacao" voatantavana, aroroana.
- Araraka anaty lasitra io fangaro io (tsara raha lasitra afaka vahàna no ampiasaina eto) dia atao anaty "congélateur" mandritry ny 10minitra.
- Avoaka, dia araraka eo amboniny indray ny ambiny 3/4 ilay nataontsika tsotra dia averina anaty "congélateur"

Ho an'ny "frezy matevina" eo ambony indrindra :
- Atao anaty rano ny "gelatine" dia avela 10minitra
- Ataingina ambony afo malefaka dia aroroana mandra-pahalevon'ny "gelatine", arotsaka ny frezy efa voapotipotika, arotsaka ny siramamy dia aroroana.
- Mahazo ny antsoina hoe "gelée" isika eto, andrasana somary hangatsiatsiaka, dia arotsaka ambonin'ny "yaourt glacé" teo aloha.

- Atao anaty vata fampangatsiahana amin'izay mandra-pivaingany tanteraka.

- Vahana moramora amin'izay ny lasitra, dia haingoana amin'ilay frezy najanontsika teo.

Mazotoa o 

Nahandron'i Dolie Razafindraibe

Catégorie: 
Matériels: