Banane plantain panée

Portrait de Angie
1061

ODY AM-BAVA FO NA TSAKITSAKY : BANANE PLANTAIN PANEE – AKONDRO LAHY ENDASINA

MAMY: azo atao gouter

ZAVATRA ILAINA

Akondrolahy efa masamasaka mavo loko
lafarina
siramamy
atody
potimofo (chapelure)
menaka fanendasana

FIKARAKARANA AZY

-Voasana ary tetehina manify araka izay hitiavana azy ny akondro
- ampandalovina amin’ny vilia telo atao milahatra
- vilia misy ny lafarina.
- vilia misy atody sy siramamy voakapoka (azo asiana lavanila, na kanelina)
- vilia misy potimofo
- endasina anaty menaka mafana ary tsihifina tsara amin’ny ”papier absorbant” vao aroso
- azo hohanina amin’izao fa azo asiana ihany koa siramamy “sucre glace”, kaonfitiora, sokolà

 

MASIRA: azo atao tsakitsaky

ZAVATRA ILAINA

Akondrolahy soma soma (raha tia mamy masira dia mety tsara ny efa masamasaka mavo loko)
lafarina
atody
sira sy dipoavatra
potimofo (chapelure)
menaka fanendasana

FIKARAKARANA AZY

-Voasana ary tetehina manify araka izay hitiavana azy ny akondro ,ampandalovina amin’ny vilia telo atao milahatra:
- vilia misy ny lafarina.
- vilia misy atody sy sira voakapoka (azo asiana dipoavatra, carry , curcuma, paprika, kanelina)
- vilia misy potimofo (azo asiana sakamalaho voatoto)
- endasina anaty menaka mafana ary tsihifina tsara amin’ny ”papier absorbant” vao aroso
- azo hohanina amin’izao fa azo aroso miaraka amin’ny saosy izay tiana: mayonaise, ketchup, moutarde, …

Mazotoa o 

Nahandro sy sarin'i Andry Mamina 24.09.2017

Catégorie: