Bûche de Noël salée

93

Bûche de Noël salée

Avereno kely indray mandeha,
Hoy ilay olona izay !
K’aza avy ianao hilaza hoe :
Ohhh ! efa hitanay !!!

Sakafo faran’izay tsotra
Nofon-trondro efa nahandroina
Sy ovy masaka voapotsitra
Mety koa raha nototoina !

Afangaro izy ireo
Dia asiana mayonnaise koa,
Atao sary hazo avy eo,
Dia amboarina ho soa !

Ilay sary hazo asiana tonony,
dia atao malama tsara,
Ary hosorana mayonnaise indray eo amboniny,
Dia soritana @ fourchette ho makarakara !

Ny salade no natao lafika,
Dia fenoina haingony avy eo,
Père-noël sy nains iray tafika,
Vao maika tsara fa tsy mankaleo !

Sa ahoana no fijerinao azy ?
Tsotra kely anefa mahavita azy ! 

 

Tononkalo sy nahandron'i Mamiarisoa Lalao RALAITSIROFO

 

Catégorie: 
Matériels: