Sakafo voalanjalanja (tapany 2)

NY SAKAFO VOALANJALANJA (tapany 2)
- L’équilibre alimentaire (2ème partie) iarahana amin'i Lobo Randria (sary nindramina fotsiny)

Ahoana ny fomba hihinana an’ireo rehetra ireo?
Impiry aloha no mila misakafo e?...

Valiny: in -3 ihany (maraina – atoandro - hariva), ary ody am-bava fo 1 na 2 (arakaraka ny sokajin-taona)..
Tsinjaraina ao anatin’ny iray andro ireo sakafo ireo mazava ho azy.
Ireto misy torohevitra ankapobeny alohan’ny hidirantsika amin'ny modelin-tsakafo :
- Tsy mety ny mandingana sakafo (sauter un repas).
- Mila misakafo amin'ny ora mitovitovy.
- Mila misakafo milamina (sans bruit…), mipetraka, mitsako miadana (30minitra eo fara-fahakeliny no misakafo).
- Tsy miady (règlement de compte) ny mpivady eo ambony latabatra na mibedy ankizy amn'ny ditrany ohatra, tsy toerana fifampivazavazana koa eo…
- Ampianaro ny ankizy handray anjara, hahatonga io fotoana io hahafinaritra (une table bien mise ohatra)
- Ovaovao ny sakafo vidiana sy karakaraina ao an-trano (variétés). 
Ny sakafo voa-janahary rehetra dia samy manana ny soa entiny (vertus) daholo ka ny fanovaovana azy no hahafahanao maka ny singa tsara rehetra (ohatra diso rehefa manao lasary dia karaoty voakiky foana…).
- Tsy misakafo intsony rehefa tafala eo ambony latabatra (tsy manao extra kely, ohatra : hihinana kely alohan’ny hatoriana nefa efa avy nisakafo hariva.)
- Amin’ny « diététique » izany dia tsy misy ny hoe voarara (interdits) fa ny teny baiko (mots d’ordre) dia ny fahaizana (bon sens) sy ny fandaminana (modération).

Be ny olona no mifadifady nefa tsy voamarina (pas justifié) akory aminy ilay izy:
Tsy mihinana sira mihitsy fa matahotra hypertension.
Tsy mihinana siramamy mihitsy fa matahotra diabète.
Tsy mihinana menaka mihitsy fa matahotra cholestérol.
Tsy mihinana produits laitiers mihitsy fa matahotra ny hatavy hono… indrindra isika vehivavy..

Inty ary ny modelin-tsakafo (modèle alimentaire) hahitana ireo groupe rehetra ireo : 

Tari-dalana (référence) ho an’olon - dehibe iray izany (lehilahy miasa)
Ronono : part 1 (200 à 250 ml)
Produits laitiers : yaourt 1 sy / na portion de fromage 1 (30g)
Mofo dipaina : 1 (maraina/ atoandro/hariva).
Céréales (vary ohatra) : part 2 ao anatin’ny iray andro.
Hena : (part 2 na 1)(200g eo mitambatra)
Voankazo : 2 samihafa ka manta ny iray (cru)
Legioma : 3 karazany samihafa ka manta ny iray (cru)
« Corps gras » : dibera part 1 (15 à 20g)
Menaka hanaovana sakafo : part 2 (20g) (atoandro sy hariva)
Zava - pisotro : rano no tsara indrindra 1.5 l
Zava - mamy : io no tokony ho kely indrindra, ohatra : kaofitiora 2 sotrokely, miampy siramamy amin'ny kafe 3 sotrokely (na izay mety fa tsy atao be loatra…)

Averiko ihany fa tokony hahitana ireo groupe ireo daholo ao anatin’ny 1 andro, ny fatra tsy mitovy hoy aho satria raha mihinana 200 g de viande dada, ny ankizy tsy mila an’izany fa 80g eo dia ampy.
Io no ilàna ilay « bon sens » resahako teo.
Ilay hoe “manta” “cru”; tsy hoe mbola maitso kely fa “crudité “tsy nandalo afo (tsy nandrahoina). Hazavaina amin'ny manaraka ny mahatsara ny « crudités ».

hitohy ….
Lobo Randria