Ny sakafo voalanjalanja (tapany 1)

 

Mahafaly ary isaorana an'i Lobo Randria ny fandavan-tenany hizara ny fahalalany maimai-poana ho antsika, izay vidian-dafo tokoa raha hanatona ireny "diététicienne" ireny isika, koa mahaiza ary mandray sy mampihatra ry mpikambana isany. Ary mankasitraka indrindra azy indrindra !

Lavalava ny fampianarana, ka dia hozaraina miandalana ; fa miezaka kosa isika manaraka hatramin'ny voalohany.
(sary nindramina fotsiny ihany)

NY SAKAFO VOALANJALANJA (tapany 1)
1ère Partie : L’équilibre alimentaire.

Ny « sakafo » dia filàna fototra (besoin vital), miantoka ny fahavelomana sy ny fahasalamana. Fahasalamana anio sy ho an’ny ao aoriana. Miantoka ny fahavitrihan’ny saina sy ny vatana koa izy hahafahantsika miasa araka ny tokony ho izy (rendement intellectuel et physique “maximum”). Manana toerana lehibe eo amin’ny fiainam-piaraha-monina (vie sociale) koa ny sakafo ary tsy azo hamavainina izany.
Ho jerentsika miandalana eto ny atao hoe « sakafo voalanjalanja » miaraka amin’ireo torohevitra ankapobeny, ary ny fanomezana modely amin’izany sakafo voalanjalanja izany.

NY ASAN'NY SAKAFO EO AMIN'NY VATANA :

-Sokajiana ho 2 lehibe ny asan’ny sakafo eo amin’ny vatana, dia ireo “ sakafo mampatanjaka » (énergétiques) sy ireo “sakafo enti-miasa (fonctionnels) .
Efa henontsika rehetra ny teny hoe: « Protéine -Glucide - Lipide, vitamines, minéraux »sns….
- Ny Sakafo Mampatanjaka (énergétiques) : dia ny sakafo misy Protéine (hena…) - Ny Glucide (vary.. ) - Ny Lipide (menaka). Ireo no manome hery sy tanjaka ary koa miantoka ny fanavaozana ny sela amin'ny vatana (renouvellement cellulaire) ohatra.
- Ny Sakafo enti-miasa (fonctionnels) : miantoka ny fampandehanana ireo karazana « réaction biochimique », sy ny « synthèse » rehetra ao anatin’ny vatana : dia ny Vitamines -Ny minéraux - Ny rano - ny fibres sy ny sisa .. .
Ilain’ny vatana ireo sokajy roa lehibe ireo@ fatra « antonony », ka ny tsy fahampiany (carence) na ny fisiany be loatra (excès) dia miteraka TSY FAHATOMOMBANANA foana eo amin’ny fahasalamana, na eo no ho eo, na any aoriana kely.
-Sokajina ho “groupe alimentaire” kosa ireo ka manome fizarazarana toy izao: (fisokajiana ny sakafo @ izay hahafantarantsika azy ao an-tokantrano).

1- Ny ronono sy ireo vokatra azo avy aminy (produits laitiers) : (fromazy, yaourt…)
2- Ny hena isan-karazany (hena-trondro-atody…)
3- Ny menaka (corps gras); menaka – dibera - lakirema.
4- Ny mofo sy ny céréales (vary, paty, semoule, ovy…)
5- Ny legima sy voamaina (légumineuses
6- Ny voankazo
7- Ny rano sy zava-pisotro (boissons).
8- Ny siramamy sy « produits sucrés ».

- Ny Filàna manome hery (besoin énergétique ) :
Ny BE dia ireo fatra ilain’ny vatana hahafahany miasa sy miaina, ilain’ireo taova miasa foana tsy mijanona (fo, havokavoka ohatra), ao koa ireo besoin ilaina amin’ny fiainana andavanandro (hiasa, hianatra, hanao raharaha…)

Miova izy io noho izany arakaraka ny :
- fananahana (lahy na vavy)
- taona (zazakely- ankizy – tanora – lehibe - be antitra)
- toe-batana ( bevohoka- mampinono - marary….)
- fampiasam-batana (activité); tsotra andavan’andro, miasa tany, mpanao fanatanjahan-tena, ...
Io ilay faritana amin’ny « Calories » .. (ohatra : vehivavy ao an-trano 1600 cal- lehilahy miasa any ivelany 2200 calories…).
- Ny sakafo voalanjlanja (alimentation équilibrée) izany dia : ny sakafo hanina mandritra ny iray andro ary ahitana ireo « groupes alimentaires » rehetra ireo, amin’ny fatrany samihafa .

Toy izao ny fatrany : (betsaka miha kely)
1- Ny rano
2- Ny « glucides »
3- Ny voankazo sy legioma
4- Ny hena / ny vokatra azo avy amin'ny ronono (produit laitiers)
5- Ny menaka
6- Ny siramamy sy « produits sucrés ».
Izany hoe ny « produits sucrés » tsy tokony ho betsaka noho ny voankazo sy legioma.
-Ireto ny fahadisoana amin'ny fomba fisakafoana (erreurs alimentaires ) hita betsaka eto amintsika :
- tsy ampy ny vondrona ronono sy ny vokatra azo avy amin'ny ronono
- Mihoatra be (excès) na tsy ampy ny hena.
- tsy ampy ny voankazo sy legioma
- Mahazo vahana be ny kiendiendy (excès du gras) sy ny «glucides » miaraka aminy.
Hitohy …..

Lobo Randria

Azonao zaraina ho an'ny namanao ihany koa izy ity.