Lalao fetin'ny reny 2016

 LALAO MANOKANA FETIN'NY RENY 2016 izay nokarakaraintsika Ma.Mi.Na. tamin'ny 11May 2016. 

Fiofanana niarahana tamin'i Joie Formation Culinaire tamin'ny alakamisy 19 may 2016 teo no lokan'izy ireo, miampy mari-pahatsiarovana (diplaoma kely sy loka sovenira avy amin'ny Vondrona Mamina)

Misaotra indrindra ny nandray anjara nizara sy nifidy fa ka toy izao ny vokatra tamin'ity lalaontsika ity 

Mousse de goyave de Hay Fy 65 J'aime 
GLace à la goyave- Gilasy goavy de Lah Randria 45 'aime 
Kabaro sy taovan-kena de Anjara Fitiavana 40 j'aime
Kabaro à la vinaigrette de Iangola Ny Aiko 32 j'aime 

Tsara be avokoa ny recette natolotrareo fa indrindra ny fitiavana mizara am-pifaliana sy am-pitiavana ka dia valiana am-pitiavana ihany koa izany ka samy nahazo loka avokoa izy ireo.

Dia mampita ny fisaorana amintsika rehetra izy ireo fa heniky ny hafaliana tokoa.
 

Eto dia tiana ny manambara fa mbola maro ny LALAO ho avy izay ahafahan'ny rehetra mandray anjara. Ny loka mazava ho azy dia tsy aderadera avy hatrany mba hampilendalenda fa atao "surprise" foana.

Isaorana hatrany ireo tsara sitrapo manohana ny Lalao, dia hihonitra avy zato heny ny talenta sy ny vola aman-karena izay lany.

Am-pitiavana mandrakariva.

 

Type: