Fitahirizana kotomila

 Fitahirizana kotomila

  • natolotr'i Noro-Liva Rakotondrasamba: 

Maka bocal na pot yaourt (mora mianjera io nefa).
Atsangana ao ny kotomila. Asiana rano mandifotra ny fakany fotsy iny.
Atao anaty sachet ny bocal ary atsangana. Tsy hidina be ny sachet fa mamono tsara ny bocal sy ny kotomila fotsiny.
Apetraka amin'ilay faritra amin'ny varavaran'ny vata fampangatsiahina (ilay fitahirizana zava-pisotro sns).
Adinoko ny sachet indray andro dia nalazo haingana izy. Nangatsiaka loatra.

  • natolotr'i Vero Randriam

Sasana tsara ny kotomila ary tsihifina, dia tetehana madinika kely, zarazaraiko anaty "bac à glaçon" dia ampidirina ao anaty "congélateur" maka iray aho rehefa hampiasa. 

 

Type: