Fetin'ny reny 2015 - asa sosialy

31 Mai 2015 andro natokana hankalazana ny Fetin’ny Reny. 

Niavaka ny fankalazana ny fetin’ny Reny ho an’ireo renim-pianakaviana anatin’ireo ankohonana tohanan’ny Association TETEZANA MADA (www.tetezanamada.org) tamin’ity taona 2015 ity.

Ny alahady 31 mey lasa teo tokoa mantsy no notontosaina tetsy amin’ny ivotoerana TABITA ny “journée recréative” (tontolo andro fialamboly) teo ambany fiahian’ny Association TETEZANA MADA avy eto Madagasikara sy ny Association TETEZANA Onlus any Italia( www.tetezanaonlus.org - https://www.facebook.com/TetezanaOnlus ); ka nanasana ireo ankohonana rehetra sahanin’izany fikambanana izany.

Ity hetsika ity moa dia fiaraha-miasa amin’ny TABITA sy ny MAMINA (www.mamina.org) niainga avy amin’ny Vondrona “Vehivavy Malagasy Mizara Fahaizana Nahandro (https://www.facebook.com/groups/mamina.org). Nandray anjara mavitrika tamin’izany ihany koa ny mpikambana vitsivitsy avy ao amin’ny Sampana Mena – FJKM Andravoahangy Fivavahana.

Tafiditra anatin’ny asa soa an-tsitrapo izany rehetra izany, ary ny tanjon’ny Vondrona MAMINA dia ny mba hanomezana anjara fahalàlala sy hifampizara traik’efa amin’ireo ankohonana sahirana tsy manana fahafahana mikirakira tranokala na “internet”.

Nanodidina ny 60 olona teo no isan’ny tonga nanatrika ny fotoana, notarihin’ny Tale-n’ny TABITA, Pasteur RAKOTOVAO Noro, ny solon-tenan’ny MAMINA sady tompon’andraikitry ny ivotoerana, Ramatoa RAKOTOARISOA Aina, sy RAMANGALALAINA Haingo avy amin’ny Vondrona Facebook Vehivavy Malagasy Mizara Fahaizana Nahandro ihany koa ; ary ny Filoha mpanorina ny Fikambanana TETEZANA MADA, Ramatoa RAONIARIMANGA Minosoa, izay sady nisolo tena ny Filohan’ny Fikambanana TETEZANA Onlus, Ramatoa Andry RUNGI, sady mpandrindra ny Vondrona MAMINA, izay monina any ivelany, nefa tsy diso anjara fa afaka nanaraka mivantana ny fizotry ny tontolo andro tamin’ny alalan’ny SKYPE ihany koa!

Nisy arak’izany ny fampahafantarana ny atao hoe internet sy ny tambazotra sosialy tamin’ireo fianakaviana nasaina, dia ny reny nombam-bady aman-janaka avy, ary dia talanjona tokoa moa izy ireo nandritry ny firesahana tamin’ny alalan’ny Skype.

Taorian’izany dia niroso avy hatrany tamin’ny fianarana mikarakara sakafo ny lehibe, izay nozaraina sokajy 4 ka tao ny nikarakara ny fanokavam-bavony karazany 2 samihafa, tao ny nikirakira ny vary sy laoka, ary tao ihany koa ny niandraikitra ny tsindri-tsakafo.

Nandritra izany kosa, ireo ankizy marobe dia niara-nilalao sy nitafatafa teo ambany fiahian’ireo Mpanazava avy amin’ny Sampana Mena – FJKM Andravoahangy Fivavahana. Karazan-dalao maro tokoa no nifaninanan’izy ireo, ary dia samy nahazo valisoa kely avokoa ny nandray anjara rehetra tany amin’ny faran’ny fotoana. Nisy ihany koa ny fampianarana ‘fanasàna tànana” narahana pratika avy hatrany, ary dia sady nifaly ireto ankizy no nianatra.

Rehefa nilamindamina moa ny fianarana lakozia sy ny fikarakarana ny sakafo dia niroso tamin’ny fampiofanana ireo ray sy reny ny tompon’andraikitry ny ivotoerana. Natomboka tamin’ny fampahafantarana fohifohy ny asan’ny TABITA izany, ary notohizana tamin’ny fampianarana ny “autocuiseur” na fatana sobika, izay hita fa tena naha-liana ireo mpiofana tokoa.

Ny TABITA moa dia "Fandaharanasa fampivoarana ny fiainam-pianakaviana sy ny fiaraha-monina" Ny zava-kendreny dia ny fampivoarana ny olona manontolo sy ny olona rehetra, indrindra ireo sokajin’olona marefo toy ny vehivavy, ny zazavavy ; ka mametraka sy manaja ny "fanahy mahaolona" sy ny zo aman-kasin’ny tsirairay mba ho fianakaviana miaina finaritra eo anivon’ny tontolo voakajy. Anisan’ny tanjona ny fametrahana ny tsirairay ao anatin’ny ankohonana amin’ny toerana tokony hisy azy, ary fanorenana fandriampahalemana hisorohana ny herisetra amin’ny endriny rehetra atao amin’ny vehivavy sy ny zazavavy. Ny paika entina hanatanterahana ny asa amin’izany dia ny « Miralenta ».

Ity fatana sobika ity dia nokendrena indrindra hitsinjovana ny fandaharam-potoanan’ny renim-pianakaviana, satria raha mandany ora 4 izy handrahoana sakafo dia tsy mila afa tsy 15 minitra sisa hanokonam-bary ary ora iray raha be indrindra no lany @ laoka raha ohatra hoe hiketrika voa-maina... Ary mazava ho azy fa mitombo arak’izany ny fotoana ahafahany mikarakara vatana sy manao ireo asa aman-draharaha samihafa sy fitadiavam-bola ho an’ny tokantrano. Taorian’ny fampiofanana moa dia samy nampiseho fahavononana ny hampiasa ity fatana sobika ity avokoa ireo reny rehetra ary dia samy nifanolo-kevitra teo ny amin’ny fomba ahitana sy ahazoana ny akora rehetra ilaina.

Niroso tamin’ny fiaraha-misakafo moa ny rehetra rehefa vita ny fampiofanana, ary dia nanomboka teo ny hirahira, tsianjery, dihy, ary ny fanoloran’ireo ankizy ny asa-tànany vitan’izy ireo niaraka tamin’ireo Skoto ny maraina!
Ny masoandro nody tokoa no nampalahelo fa dia ny adidy vita, ny fahafinaretana azo, hoy ny ambetin-tenin’ireo rehetra tonga nanatrika.

................................................................................

Andeha tsy havelantsika handalo fotsiny izany fotoana izany amin’ity taona ity fa hataontsika miavaka noho ny efa nolalovantsika hatrizay.

Toy ny mahazatra dia asiantsika action sociale foana miaraka aminy ka asehontsika eto amin’ny Vondrona Vehivavy Malagasy Mizara Fahaizana Nahandro ny firaisankinantsika sy ny fitsinjovantsika ny mpiara-belona amintsika ka hiaraka hankalaza izany isika amin’ireo fianakaviana marefo sahanin’ny Association Tetezana mada sy Tetezana Onlus. (https://www.facebook.com/tetezanamada - http://www.tetezanaonlus.org/ ) Ka amin'io andro io izany dia ry zareo ireo no invité speciale, miampy ny vady amanjanaka , ka mba hihinana sakafo tsara atolotry ny Vehivavy Mizara Fahaizana Nahandro izay adika tsotra hoe MA.MI.NA : Malagasy Mizara Nahandro satria efa misy lehilahy ato amintsika.

Koa raha sitrakareo dia ataontsika sady adidy no fahafinarentana hatrany ny fiarahana (izaho amin'io ilay mitazana dia migorera?

Ekena fa vanin’andro sarobidy amintsika ny fetin’ny reny ka hanararaotana fotoana hiarahana amin’ny fianakaviana fa andeha mba anokanana ampaham-potoana amin’izany ireo fianakaviana ireo. Ka ny fanotronantsika sy fiarahantsika misalahy aminy dia efa anisan’ny fandraisantsika anjara amin’ny fampahafantarana azy fa manan-danja ihany koa izy ireo io amin'ny samy malagasy na dia eo aza ny toerana misy azy.

Ka toy izao manaraka izao ary ny andinindininy:
Daty: 31 may 2015
Ora: 8ora sy sasany – 4ora sy sasany
Toerana: TABITA Station Gilpin Ampandrana
Fisoratana anarana: voafetra ny toerana
Fandraisan’anjara: Tsy mitondra sakafo masaka toy ny efa nataontsika teo aloha izany fa manome fandraisan’anjara. Io no aloha dia sady MIANATRA no MIHINANA no MIFAMPIZARA amin’ny manodidina antsika. Ary ampiana ireo vola azo tamin'ny fihaonana teo aloha , latsakemboka voaray 447.500 Fmg, izay tsy ho ampy akory fa mila ampiana am-pitiavana dia entitsika mba hanaovana fety miaraka amin'ireo zaza sahirana karakarain'ny association 
Hiaraka hianatra sy hikarakara nahandro izany isika eto amin’ny vondrona amin’io fotoana io.
Anisan’ny hianarantsika ao ny “Pate feuilleté” ka mitondra ireto fitaovana ireto: farine ½ kg sy margarine de feuilletage 250g, koveta kely ary rouleau. Entintsika mody izay vitantsika amin’io feuilleté io dia samy manao any antrano avy eo na mampiasa four eletrique na à gaz na koa four gasy , fa ny sakafo hafa ianarantsika mizara ampifaliana amin’ireo fianakaviana hiray latabatra amintsika ireo.
Koa alao hery ary namana fa ny fiarahantsika mientana sy misalahy amin’ny manodidina dia efa anisan’ny antoka iray mampandroso antsika ihany koa!
Ampitiavana sy ampifaliana hatrany o

..........................

Ho fety hitondra fandrosoana sy fivoarana ho antsika tsirairay anie ny fetin’ny Reny 2015 niarahana tamin’ny VEHIVAVY MALAGASY MIZARA FAHAIZANA NAHANDRO, Association TETEZANA MADA, TABITA FJKM, MPANAZAVA SAMPANA MENA Andravohangy Fivavahana!

 

Type: